12 ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13 Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao.
14 Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
15 Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
16 Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17 dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;
18 ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,