1 TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
2 Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.
3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
7 Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.