10 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
11 ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.
12 Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.