1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3 Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
5 Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?