1 Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
2 Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
3 Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
4 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.