Josoa 22:5-11 MG1865

5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.

6 Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.

7 Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy

8 ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.

9 Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.

10 Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.

11 Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.