5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.