1 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
2 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
4 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.