1 Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.