3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.
5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
6 Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa.
7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra.
8 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:
9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana.