18 Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra
19 sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
20 fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),
21 ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo. 9.19).
22 Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,
24 sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.