26 Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
27 Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.
28 Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana;
29 fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).