21 Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25 Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.