1 Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
2 Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3 Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
4 Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.