13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
14 ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny mpanompony;
15 ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany sy ny tandonany.
16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
17 Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
18 Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany.
19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,