1 Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2 Ary ny Filistina nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i Saoly.
3 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4 Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.