1 Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
3 Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4 Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5 sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
6 sy Noga sy Nafega sy Jafia
7 sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.