15 Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
16 Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
17 Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
18 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
19 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
21 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: