16 Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
17 Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
18 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
19 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
21 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
22 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.