24 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
26 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
28 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.