24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.
25 Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
26 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin'i Onama.
27 Ary ny zanakalahin'i Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
28 Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora.
29 Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.
30 Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.