5 Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
6 Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
7 Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.
8 Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.
9 Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
10 ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;
11 ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;