4 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
5 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.
6 Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
7 Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
8 Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
9 Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.
10 Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.