1 Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.
2 Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
3 sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
4 Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
5 sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.