27 Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.
28 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
29 sy Bila sy Ezema sy Tolada
30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.
32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.