30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.
32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
34 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,
35 ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,
36 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia