1 Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3 Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
4 sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.