1 Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
2 Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
3 Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.
6 Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.