8 Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9 Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10 Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.
11 Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12 Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
13 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
14 Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah?