20 ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?
21 Fa iza no namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
22 Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i Joaba azy.
23 Ary hoy ny iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.
24 Ary ny mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
25 Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
26 Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.