22 Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
23 Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
24 Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,
25 dia naniraka an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia noho ny amin'i Jehovah.
26 Ary Joaba namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.
27 Ary Joaba naniraka olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.
28 Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.