1 Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
2 Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.
3 Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.
4 Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!