6 Ary toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
7 Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah.
8 Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.
9 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
10 Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
11 Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
12 Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.