23 Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy.
24 Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an'i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay nanaraka azy.
25 Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.
26 Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin'ny tany Gileada.
27 Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
28 Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy
29 sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.