10 Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
11 Ary nambara tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly.
12 Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa.
13 Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo.
14 Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany.
15 Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.
16 Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.