24 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
26 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
27 Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
28 Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
29 Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
30 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.