2 Samoela 24:12-18 MG1865

12 Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.

13 Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.

14 Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.

15 Ka dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.

16 Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

17 Ary nony hitan'i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.

18 Ary Gada nankany amin'i Davida tamin'izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.