5 Ary Rekaba sy Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.
6 Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.
7 Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.
8 Ary nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny mpanjaka tompoko.
9 Ary hoy Davida tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra,
10 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin'ny teny mahafaly nentiny;
11 koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareo