4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
5 Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
8 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany tany izany mandraka androany.
9 Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah?
10 Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita.