1 Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
3 Dia hoy Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
4 Ary tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe: