8 Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.
10 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.
11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.
13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.