5 Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon'i Davida,
6 Dia ireo izay misotro divay amin'ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban'i Josefa.
7 Koa amin'izao dia ho voalohany amin'izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay foana.
8 Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin'ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin'izay rehetra ao anatiny.
9 Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10 Ary ny havan'izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah.
11 Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.