1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2 Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
3 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.