4 Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
5 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.
6 Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.
10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.