Daniela 4:15-21 MG1865

15 Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.

16 Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.

17 Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,

18 ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny voro-manidina,

19 ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny tany.

20 Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,

21 izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy mpanjaka: