1 IZAO no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.
2 Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
3 Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.
4 Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.