20 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin'i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin'ny taniny avy, izay nomeko anareo.
21 Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao.
22 Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
23 Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe:
24 Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
25 Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
26 Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany ianao.