2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
5 Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7 Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.