3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
5 Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
6 Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
7 Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
8 Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.
9 Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.