1 Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:
2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.
3 Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.
4 Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
5 Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,